- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversMandraka : « Boeing » latsaka anaty hantsana

Mandraka : « Boeing » latsaka anaty hantsana

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, omaly, teny amin’iny faritra Mandraka iny. Araka ny fampitam-baovao azonay, omaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, dia « boeing » iray handeha hizotra ho any amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka no niharan-doza teo Mandraka. Raha ny vaovao hatrany dia latsaka hatrany amin’ny 30 metatra ity fiarabe ity, izay nitondra olona amam-polony maro. Ary nivadika ambony ambany mihitsy. Mbola tsy fantatra hatreto ny isan’ny niharam-boina, raha ny vaovao farany azo. Maizina dia maizina ilay toerana, ary somary sarotra haleha. “Feon’olona miantso vonjy fotsiny no hany sisa re ety ambony”, raha ny filazan’ny olona eny an-toerana, mampita vaovao anaty tambajotra sosialy. « Vao nampaniraka olona ho any amin’io toerana io kosa izahay », hoy ny zandary avy ao Manjakandriana, azo an-tariby omaly, tamin’io fotoana io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici