
Mafy dia mafy tokoa ny fivadihana, satria dia hantsana 12 m no nianjerany ary lasa tany amin’ny ranon’i Mandraka. Maty tsy tsa-drano ny mpamily ary teny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ilay mpanampy azy.
Ny zoma hariva teo tany amin’ny 3ora sy 30 minitra tany ho any no nisehoan’ny loza ka nampivadika ity kamiao « citerne » nitondra « gaz- oil » ity. Teo amin’ny PK 64 fokontany Mandraka CR Ambatolaona no nisehoan’ny fivadihana. Tsy fantatra marina ny niavian’ny loza na vokatry ny fandehanana mafy na nohon’ny tsy fahatomombanana ara-teknika,avy any Toamasina hankaty Antananarivo ity Kamiao Renault Prémium ity no nivadika. Mafy dia mafy ny fivadihana, satria dia hantsana 12 m no nianjerany ary lasa tany amin’ny ranon’i Mandraka.
Vaky vokatr’izany ilay citerne ary niparitaka nanerana ny faritra nianjerany ireo solika tao anatiny, mafy dia mafy tokoa ny dona sy ny fivadibadihana nahazo ilay fiara ka dia maty daholo na ny mpamily izay vao 38 taona monja sy ny mpanampy azy izay 25 taona.
Haingana dia haingana tokoa ny fitondrana azy roalahy ireto tany amin’ny hopitaly Manjakandriana saingy noho ny dona mafy loatra nahazo azy ireo dia tsy tana ny ainy. Tsy vao izao tokoa no nisy lozam-pifamoivozana namoizana ain’olona toy izao, iny lalam-pirenena fahefatra iny,ka anentanana ireo mampiasa azy mba samy hitandrina, matetika mantsy dia samy sondriana ny be sy ny maro ka be no mandeha mafy sy tsy miraharaha ny hafa noho ny hatsaran’ny làlana sy ny habeny, ny tampoka anefa tsy mahalehilahy ka iray segondra fotsiny dia mety hiteraka fahafatesana sy fahasimbana goavana. Efa eo am-pelatànan’ny zandary sy ny PA Ambatolaona ny raharaha amin’izao.
ALEM