Nivadika ny kamiao izay nitondra miaramila avy any Toamasina, omaly. Avy nanao sarin’ady tao an-toerana izy ireo ary handeha hitodi-doha aty Andrenivohitra no niharan-doza teo Mandraka. Tokony ho tamin’ny 11 ora omaly no nisehoan’izany. Miaramila fito no naratra mafy raha araka ny fanazavana azo momba ity lozam-pifamoivoizana ity. Nisy enina hafa ihany koa naratra, saingy mba tsy dia naninona loatra. Nentina faran’izay haingana taty An-drenivohitra ireo naratra mba ho fanavotana ny ain’izy ireo. Tao amin’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana no avy hatrany dia nivantanan’izy ireo ireo. Avy nandray anjara tamin’ny sarin’ady “Ivondro 2017” izay miompana amin’ny fiambenana ny Ranomasimbe Indiana ny lohahevitra, ireo miaramila niharan’ny lozam-pifamoivoizana ireo. Nisy fotoana nivoaka ny fiara ny mpamily ary mety tsy voapetany tsara ny hisatra. Teo no nivarina tany anaty hantsana ilay fiara ary soa ihany fa mba tsy tany amin’irony avo be no nianjera raha tsy izany dia ahiana ho ratsy ny vokatr’izany.
D.R