Ny alin’ny talata, notafihana andian-jiolahy ny trano iray teny Mandrangobato. Ny vaovao voaray no hilazana fa toa diso adiresy ihany ireo mpandroba. Tranona vehivavy mananontena, mipetra-drery ary mpanasa lamaban’olona no novantaniny. Rehefa avy nanapitsoka ny varavarana anefa ry zalahy ka nampitahotra ilay vehivavy sady nitaky vola dia gaga ihany. Vola “versement” io notakiany io. Namaly ilay ramatoa fa tsy manana izany vola izany izy. Nanampy izy fa mpanasa lamba no asany. Toa tsy nahoan’ireo mpandroba anefa izany fa nalainy izay vola tahirin’ilay ramatoa. Lasa ny vola 15 000 ariary sy ny telefonina iray. Raha vao nahazo an’io ireo bandy ireo dia lasa nandeha. Torankovitra ilay mpanasa lamba ary tsy nahetsika teo am-pitoerana. Efa lasa ela ireo olon-dratsy ka afaka nampandre ny olona akaiky azy izy. Raha ny fandehan-javatra no jerena dia toa tsy mifidy olona horobaina intsony ny jiolahy amin’izao fotoana izao. Izay sendra an-dry zalahy dia endahany avokoa, na be vola, na kely vola.
r.s.