Omaly alina tokony ho tamin’ny 1 ora tany ho any, tokantrano iray indray no, voatafika teny Mandrangobato II. Vehivavy iray no notifirin’ny jiolahy teo amin’ny sorony. Naratra mafy tokoa izy ary nikiakiaka be. Izany zavatra izany no nanaitra ny manodidina. Rehefa avy nandroba ireo olon-dratsy dia niala ny toerana. Efa samy taitra ny mponina ka nisy ireo nanao sahisahy nanaraka an-dry zalahy. Fampitandremana niaro teny ratsy vary raraka no re. “Mandehana miverina sao dia…. Mbola heno niferotra hatrany ny basy, hoy hatrany ny vaovao voaray.
r.s.