- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMandrangombato : Vehivavy roa nilatsahan’ny varatra omaly hariva

Mandrangombato : Vehivavy roa nilatsahan’ny varatra omaly hariva

Notsaboina haingana tao amin’ny hopitaly izy roa. (sary tahiry)
Notsaboina haingana tao amin’ny hopitaly izy roa. (sary tahiry)

Manodidina ny tamin’ny fito ora hariva teo omaly, tao anatin’ny oram-be nikija no nidiran-doza ireto mpirahavavy. Nidiran’ny varatra tao amin’ny trano hofain’izy ireo tetsy Mandrangombato. Tao amin’ny tompon-trano, tao ambony rihana no niditra ny varatra.” Zavatra boribory menabe no hitako ary  dia tsy tafahetsika aho raha nahatazana an’izany mandeha aty amiko. Teo amin’ny tongotro izy no nijanona.  Niantso ny anaran’Andriamanitra aho no sady nodakako ilay izy dia lasa nidina tany amin’ny tohatra tany” raha ny filazan’ilay ramatoa tao ambony rihana. Avy eo izany ilay “varatra” dia nidina tao ambany rihana ary nivantana tao amin’ny efitra misy azy mirahavavy. Tao no nirefotra ary avy hatrany dia tsy nisy nahatsiaro tena intsony ireo vehivavy roa. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Hjra izy ireo ary natao ny fameloman’aina. Amin’izy ireo dia tsy tongatonga foana izao nanjo azy ireo izao. Raha araka ny loharanom-baovao dia nisy fifamaliana tamin’ny resaka tany, andro vitsivitsy talohan’ny omaly. Nanao vava mihitsy aza ilay olona nifamaly tamin’izy ireo talohan’ny nandeha, ary mifandraika amin’ny resaka varatra izany. Mazava raha nampifandraisain’izy roa tamin’izay ny momba ilay varatra nilatsaka tamin’izy ireo omaly. Hatramin’ny omaly alina dia mbola notazonina tao amin’ny hopitaly izy roa mba hanaraha-maso ny fahasalamany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser