- Publicité SW45 -
mercredi, mars 26, 2025
AccueilFaits-DiversMandraty-Maevatanàna : Renim-pianakavina iray no matin’ny haromontana

Mandraty-Maevatanàna : Renim-pianakavina iray no matin’ny haromontana

Efa roa volana lasa no voamarina fa nokaikerin’ny alika, ilay Renim-pianakavina iray, tokony 62 taona eo, izay monina any amin’ny fokontany Mandraty, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabosotra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, saingy nanao dokotera an-tena, tany amin’ny faritra misy azy. Rehefa hita ka tena sempotra ity farany dia noentin’ny fianakaviany nalaky teny amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna ny Asabotsy faha 08 Febroary lasa teo iny. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahalalana fa niseho taminy avokoa ny tranga manambara hoe : haromontana no nahazo azy, izay voaporofo tamin’ny tsy fahazakana hazavana, tsy matelina sakafo, mena maso, sns. Taorian’izay no nandray fepetra tsy misy hatak’andro ny mpitsabo, ka natokana hefitra, sady natao vaksiny, ireo olona rehetra nifanerasera taminy. Ny marainan’ny Alahady faha 09 Febroary taona 2025 lasa teo moa no matin’ny haromontana, ilay Renim-pianakavina. Efa noentina namonjy ny toerana misy azy kosa ny razana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici