- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMandray Antsirabe : Fiara lehibe iray voasakana, an-tapitrisany lasan’ny jiolahy

Mandray Antsirabe : Fiara lehibe iray voasakana, an-tapitrisany lasan’ny jiolahy

Tsy vao sambany akory no nisehoana fanakanan-dalana tao Mandray- Antsirabe faharoa, lalana mihazo an’i Soanindrariny iny, fa tranga efa mpiseho matetika. Ny marain’ny Talata 15 Septambra lasa teo no nisehoana fanakan-dalana indray, tao amin’ity toerana ity. Kamiao iray mpitondra mpiantsena sy mpivarotra no nosakanan’ny jiolahy mahery ny folo lahy  mitam-piadiana, toy ny basy sy zava-maranitra io marain’ny Talata  io. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no nisehoan’ny fanakanana, teo amin’ny fiakarana lehibe iray ao Mandray. Efa maty paika mihitsy ny teti-dratsin’ireo jiolahy mpanakan-dalana amin’ny toerana hanaovany ny asa-ratsiny. Sady fiakarana no ratsy dia ratsy mantsy ny toerana nanakanany ity kamiao ity,hantsana rahateo koa ny sisiny, ka raha vao diso famindra dia latsaka avy hatrany. Nofenoin’ireo jiolahy vato be maromaro ny làlana, tsy afa-nihodina intsony ny mpamily, fa nijanona avy hatrany, tamin’izany no nanararaotra nitora-bato ireo jiolahy, ka nahavaky ny fitaratra sy ny varavarana amin’ny sisiny roa. Norahonana tamin’ny basy ny mpandeha rehetra ary noterena hamoaka ny fananana rehetra sy ny vola. Voalaza fa manodidina ny 7 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy, niampy  firavaka sy finday ary  zava-tsarobidy maro sy  ny entam-barotra rehefa azo nobataina. Rehefa izany, nitsoaka nandositra ireo mpandroba, tsy nisy afa-nanao na inona na inona kosa ny lasibatra, fa dia nitazam-potsiny.  Soa aloha fa tsy nisy ny naratra, na aina nafoy tamin’ity fanafihana ity, fa ny entany no najifan’ireo jiolahy. Fantatra moa fa, tsy mifidy asiana ireo jiolahy mpanakan-dàlana ireo, fa lasibatra hatramin’ny môtô mihitsy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici