Dahalo nikoizana tamin’ny halatra omby sy asan-jiolahy mitam-basy no matin’ny zandary nandritra ny fanarahan-dia nataon’izy ireo tany Mandritsara. Taorian’ny fifanjevoana tamin’ireo dahalo tao Vohilolo Beandrarezina, fokontany Lampibe, Marotandrano, distrikan’i Mandritsara, ny alarobia 25 may dia vaky nandositra izy ireo ka tsy nisy voasambotra. Taorian’io anefa dia nisy olona tsara sitrapo nampandre ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria any Mandritsara fa anisan’ny nandray anjara tamin’io asa ratsy io Raka, zanatany ao Lampibe, ka miafina ao Sahavoay, fokontany Ambalakaompania, distrikan’i Mandritsara. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fikarohana ity farany ny zandary ka tratra tao Ambalakaompania tokoa izy. Raha nalaina am-bavany izy taorian’ny fisamborana azy dia niaiky ny heloka nataony ary nanambara ny namany miisa fito. Taorian’io fanoroany ny namany io, dia nentina hanampy ny zandary amin’ny fisamborana azy ireo i Raka. Nolazainy fa tsy ho voasambotra ireo raha tsy amin’ny alina, satria olona efa mailo daholo. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata dia niainga niaraka taminy ireo zandary 12 lahy, notarihin’ny kapiteny Andriantsihoarana Tobiasy, lehiben’ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, ka ireo any Tsaramandroso no nokasaina hotratrarina voalohany. Teo amin’ny 2km tsy hidirana ny tanàna, avy amin’ny ilany Avaratra Atsinanana anefa dia nirifatra nandositra tampoka i Raka hiazo ny vondron’ala tsy lavitra ny làlana. Noho izy tsy nety najanona anefa, ny andro vao hangiran-dratsy, dia tsy maintsy nitifitra ireo zandary ka voa teo amin’ny lamosiny izy ary maty tsy tradrano. Marihina fa io Raka io dia efa malaza amin’ny asa-jiolahy sy halatra omby mirongo basy ka maro tamin’ireo fokonolona no nanamarina sy nanamafy izany. Anisan’ny atidoha tamin’ny fanafihana tamin’ny faritra maro tany Mandritsara. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay mbola tsy tratra.
Yv Sam