- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Jiolahy maty voatora-baton’ny fokonolona

Mandritsara : Jiolahy maty voatora-baton’ny fokonolona

Leon’ny resaka tsy fandriampahalemana ireo mponina tao Mandritsara ka nanapa-kevitra ny hanafay ireo mpanao ratsy. Niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka sy famoizana ain’ity voalaza fa jiolahy izany, ny alin’ny alarobia tao Anjohivola.

Araka ny fanazavana nentin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia efa nametraka ahiahy tamin’ity ranamana ny maro tany an-toerana. Tsy nitsahatra ny nihaodihaody sy nirenireny tao an-tanana mantsy izy, raha ny voalaza hatrany. Antony nandraisan’ireo tompon’andraikitra ny hanontany sy hisavana azy. Kanjo tamin’izay fotoana izay, namoaka basy tampoka ny lehilahy. Basy vita gasy efa tany aminy tany, ary tsy nisalasala mihitsy nampiasa izany. Teo moa no vao mainka voamarina ny ahiahin’ireo mponina ka nifarimbona avy hatrany izy ireo, niezaka nisambotra sy nifehy ilay tovolahy. Niafara tamin’ny fitoraham-bato mihitsy aza moa izany, ary tsy navelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ain’ity farany. Tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana, na ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena na ireo zandary, izay nanome tanana tamin’ny fandrindrana ny filaminana. Raha ny angom-baovao azo hatrany toa hoe efa olon-dratsy mpamerin-keloka ity farany. Porofo izany rahateo ny fisian’ilay basy poleta vita gasy tany aminy. Ny eo anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy any Mandritsara moa no manao ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici