- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandritsara : Maty voatifitry ny zandary i Jean Be dahalo ikoizina

Mandritsara : Maty voatifitry ny zandary i Jean Be dahalo ikoizina

Matin’ny zandary raha nikasa ny hitsoaka ny dahalo iray antsoina hoe Jean Be tany Mandritsara, ny 3 jona lasa teo. Teo am-pitondrana azy io mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka ny zandary no nikasa hitsoaka izy io, ka voatery nitifitra ny zandary ary nitarika ny fahafatesany. Raha ny fanazavana, ny alin’ny alatsinainy 30 hifoha 31 mey lasa teo, tany ho any amin’ny misasakalina, niantso vonjeo  ny olona iray ao Antsirabe-Afovoany, anatin’ny distrikan’i Mandritsara satria nisy olon-dratsy namaky sy niditra an-keriny ao an-tranony. Noho izany, nifanenjehan’ny zandary ao amin’ny Toby ao an-toerana niaraka tamin’ny fokonolona ilay olon-dratsy ka tratra. Fantatra fa i Jean Be, dahalo ikoizana. Fantatry ny rehetra fa mpamerin-keloka ary fototry ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsirabe-Afovoany iray manontolo sy ny manodidina izy. Efa nigadra indroa, saingy afaka ny fonja hatrany. Efa nikononkonona fitsaram-bahoaka ny fokonolona tany an-toerana. Vokatr’izany, nihamafy ny fikasan’izy ireo hamono ity dahalo ity.  Ny 3 jona lasa teo izy dia nentina niala ny tanàna, tokony ho misasakalina hihazo an’i Mandritsara, mba tsy ho hitan’ireo fokonolona nikasa mafy ny hanao fitsaram-bahoaka azy. Ary tsy nanaraka lalam-be mazava ny nitondrana azy, mba hialana amin’izay mety ho fifanjevoana eny am-pandehanana. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina anefa, raha nandalo tao amin’ny toerana antsoina hoe Andrikarika, no nikasa handositra i Jean Be, saingy lavon’ny balan’ny zandary. Vita hatreo ny amin’ity dahalo ity. Velom-pisaorana ny mpitandro filaminana ary nankasitrahan’ny vahoaka sy ny mpitondra tany an-toerana izao fahalavoan’i Jean Be izao, nandritra ny fanentanana Tagnamaron’ny Fandriampahalemana.

Yv Sam 

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici