- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandritsara : Mpaka an-keriny voatifitry ny pôlisy

Mandritsara : Mpaka an-keriny voatifitry ny pôlisy

Ny alin’ny zoma lasa teo, nisy ny fifandonana mahery vaika niseho teo amin’ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mandritsara sy olon-dratsy mpaka an-keriny. Vokany, iray tamin’ireo olon-dratsy no voatifitra, avotra soa aman-tsara kosa ny tovovavy iray teny am-pelatanan’ireto mpanao ratsy ireto.

Araka ny fampitam-baovao azo, ny zoma tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo no nahazo antso ny pôlisy fa nisy tranga fakàna an-keriny tany an-toerana. Tovovavy iray no nentin’ireo olon-dratsy ary nogiazana tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimandroso, Mandritsara. Nandray andraikitra avy hatrany ireto farany ary niroso tamin’ny famonjena ilay lasibatra. Vao tonga tao amin’ny toerana voalaza anefa dia raikitra avy hatrany ny fifandonana, satria raha vao nahita ireto pôlisy ireo olon-dratsy, dia nanohitra. « Nitondra sabatra lehibe ilay olon-dratsy (…) ary mbola saika hikapa tamin’izany ny iray tamin’ireo pôlisy ». Voatery niaro tena sy nitifitra ireo pôlisy ka voa tamin’izany ilay mpaka an-keriny. « Voa teo amin’ny kibony ilay jiolahy, tovolahy 30 taona, ary naratra mafy. Efa nentina nihazo ny hôpitaly ho amin’ny fitsaboana azy », hoy ny hatrany ny vaovao. Avotra soa aman-tsara ary tsy nisy nanombinana kosa ilay tovovavy teny am-pelatanany. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana any an-toerana, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici