Efa nandeha ny fiandrasam-paty, efa nifandimby ihany koa ny olona tamin’ny famangiana ny mana-manjo. Tao anatin’izany anefa no nikohaka tampoka ny razana ary nitsangana nony avy eo. Rifatra nitsoaka samy namonjy ny ainy ireo olona tao anatin’ilay trano niandrasam-paty. Efa fotoana elaela vao sahy niverina tsikelikely. Ireo tena havana akaiky sisa no sahy nijanona teo. Teo no nahitàna fa tena velona soa aman-tsara ilay tovolahy 17 taona izay noheverina fa efa nodimandry. Akory ny hafalian’ny havany ary teo koa dia nanapa-kevitra ny namonjy dokotera avy hatrany sao sanatria lasa indray ny efa niverina. Raha ny fanazavàna avy any an-toerana dia efa tena narary ity tovolahy ity ary nitarika ny fahafatesany izany aretina nahazo azy izany. Ny olana anefa, satria any amin’ny toerana lavitra mpitsabo no nisy ilay tranga, dia tsy mba nojeren’ny mpitsabo akory rehefa tsy nihetsika intsony fa noheverina ho namoy ny ainy amin’izao fotsiny. Soa ihany, tamin’ity tranga ity fa tsy mbola notsindromina “formol” ilay olona, satria avy hatrany dia tapitra ny ainy raha izay no nitranga. Amin’ny maha-ambanivolo ny toerana dia nandehandeha ho azy teo fotsiny ny fanao rehetra rehefa misy maty, ary mazava ho azy fa ny zava-dehibe indray no hadino. Toa nisy lafitsarany anefa izany tamin’ity indray mitoraka ity na dia niteraka horohoro ho an’ny mpamangy sy mpiandry faty aza. Ela vao niverina ny sain’ireo fa tena olona velona tokoa ilay taitra fa tsy sanatria matoatoa. Lasa nivadika hafaliana ilay fiandrasam-paty ary nariana hatramin’ny voninkazo sy marika rehetra amin’ny fahoriana.
D.R