- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Notapahim-badiny ny lohan’ilay ramatoa

Mandritsara : Notapahim-badiny ny lohan’ilay ramatoa

Habibiana tsy roa aman-tany, no niseho tany amin’iny faritr’i Mandritsara iny. Ramatoa iray no hitan’ny fokonolona nihoson-drà tany an-tsaha, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Analanobe. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nijery ny razana. Saika nihoron-koditra avokoa raha nahita, fa tapaka tarangana ny tendan’ity ramatoa ity. Zara raha misy hoditra kely sisa no mitazona azy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Ny zoma lasa teo no nitranga ity vono olona mahatsiravina ity. Araka ny vaovao hatrany, dia  toa hoe ny vadiny ihany no namono nahafaty ity ramatoa ity. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia nisy fifamaliana teo amin’ireto mpivady ireto, ny omalin’ny nahitana ny razana. Nentin-katezerana loatra angamba rangahy tamin’izay fotoana izay, ka tsy nahatana ny fony intsony, fa avy hatrany dia nanangan-tsandry teny amin-dramatoa. Tsy vitan’ny fikasihan-tànana fotsiny, fa niainga hatramin’ny zava-maranitra teny an-tànan’ity mpamono vady ity. Raha ny fantatra hatrany, dia tsy nisy afa-tsy izy ireo irery no teo amin’io toerana io. Nitsoaka avy hatrany ity rangahy ity, taorin’ny asa ratsiny. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici