Raim-pianakaviana iray voalaza fa manana omby maherin’ny 1 500 no novonoin’olon-tsy fantatra tamin’ny fomba feno habibiana, tao amin’ny Fokontany Andohajango, Distrikan’i Mandritsara Faritra Sofia, ary nodidian’ny/ireo tsy mataho-tody ohatra ny nandidy vozon’ omby ny vozon’ity rangahy mpanarivo ity. Taitra ny olona teo an-tanàna nahita ny vatana mangatsiaky Mahavaly nihosin-drà tapa-tenda ivelan’ny tranony, ny alarobia naraina teo. Tsy fantatra na noho ny fialonana na tena asan-jiolahy tsotra izao no namonoana an’ity lehilahy mamy hoditra amin’ny mpiara-belona ity. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Manoloana ity tranga mahonena niseho nahavalalanina ny maro ity, dia misavorovoro tanteraka ny mponina any an-toerana, ary mitaintaina mafy ny isan-tokantrano, ka mangataka amin’ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitandro filaminana ny vahoaka mba hijery manokana sy hitondra vahaolana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy nahazo laka tao anatin’ny iray volana.
Eric Manitrisa