- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandritsara : Zandary iray indray maty voatifitry ny dahalo

Mandritsara : Zandary iray indray maty voatifitry ny dahalo

Lehiben’ny « poste fixe »-n’ny zandary tao amin’ny kaominia Andohajango ao amin’ny distrikan’i Mandritsara indray no lavo teo an-tanim-piadiana, omaly.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nisy fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny fokontany Tsirangotina ao amin’ny kaominina Ambohisoa ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Dahalo manodidina ny telopolo lahy tany ho any no tonga nanafika tamin’io fotoana io, izay nirongo basim-borona sy Mas 36. Omby 80 no lasa teo. Nisy avy avy hatrany fampandrenesana ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ary raikitra ny fanarahan-dia nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo fokonolona. Raha ny vaovao azo hatrany dia nizotra nihazo ny distrikan’Andilamena iny ireo andian-dahalo. Teny an-dalana no nifanehatra ireo mpanara-dia sy ireo malaso ka raikitra ny fifandonana. Tamin’io no voan’ny balan’ireo olon-dratsy ity zandary mahery fo ity ary lavo.  Na izany aza anefa dia tsy azon’izy ireo ny basin’ity mpitandro filaminana. Noho ny fanavotana ity lavo ity moa dia tafaporitsaka ireo olon-dratsy saingy mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo dahalo.

Avy amin’ny « peloton mobile porte Num 46 » avy ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandary ao Mandritsara moa ity zandary namoy ny ainy ity no voairaka hanao lehiben’io « poste fixe » io tao Andrangeza. Namaly ny antso vonjin’ireo mponina voatafika avy hatrany izy sy ny ekipany ary dia izao namoy ny ainy izao. Marihana hoy ny vaovao fa nahavita nanompo ny fireneny nandritry ny 26 taona  ny lehilahy teo anivon’ny zandary, 53 taona kosa izy amin’izao. Namela mananon-tena sy kamboty telo mirahavavy ny lehilahy. Rehefa nampiakarina tao Mandritsara moa ny nofo mangatsiakany dia entina hihazo an’Anahidrano distrika Antsohihy hanaterana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici