Tovovavy iray 16 taona, kilasy voalohany (classe de 1ère), mpianatra amina sekolim-pinoana tsy miankina iray ao Mandritsara no tsy hita popoka natelin’ny reniranon’i Mangarahara, ny marainan’ny 27 desambra, teo amin’ny tafian’ Ankobasoa. Raha ny vaovao voaray, nandro niaraka tamin’ny tanora namany teo amin’ity renirano ity izy no nilentika tampoka, ka tsy nipoitra intsony. Taitra ireo namany raha vao nahita izany, ka nikaroka sy nitsapatsapa azy tao anaty rano, nefa tsy nipoitra mihitsy ity tovovavy ity. Ny andron’ny omaly io, natao dahalo ny fombafomba ara-drazana isan-karazany nikarohana azy, nefa mbola tsy hita popoka ny razana hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.
Eric Manitrisa