Omaly alarobia tokony tamin’ny 8 ora tany ho any no nahitan’ny olona mpanasa lamba fatin-dehilahy iray natsingevan’ny rano teny Mandroseza. Avy hatrany moa dia nampandrenesina ny tompon’andraikitra teny an-toerana ary ireo indray no niantso ny mpamonjy voina naka ny razana avy tao anaty rano. Na dia efa manomboka ho simba aza anefa ilay izy dia nahitana ratra teo amin’ny faritry ny lohany. Araka izany, tombanana fa fotoana elaela ihany no naha tao anaty rano azy. Ireo rehetra nanatri-maso dia tsy nisy nahafantatra ity maty ity. Araka izany, tsy mipetraka eny amin’ny manodidina izy. Rehefa nojerena ny akanjo teny an-kodiny dia tsy nisy taratasy mety hamantarana azy. Ny resaky ny olona re no manao vinavina fa, ankeviny efa maty izy io no navalan-drano. Efa misokatra ny fanadihadiana hahalalana ny marina mikasika izao fahafatesana izao. Eny amin’ny tranompatin’ny hopitaly ny razana.
nangonin’i r.s.