- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Nihotsahan’ny tany i Felicien Kôpikolé

Mandroseza : Nihotsahan’ny tany i Felicien Kôpikolé

Mijojo hatrany ny orana vokatr’ilay andro ratsy eto an-drenivohitra. Trano maromaro no nirodana omaly.

Tamboho iray teny Mandroseza ihany koa no nihotsaka, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany antoandro. Tovolahy iray no fantatra fa nihotsahan’ny tany ary mbola karohina. Tovolahy tsy zoviana amin’ny olona mpankafy Théo Rakotovao ity tovolahy niharam-boina ity. Felicien Rakotomalala, isan’ireo nandray anjara tamin’ilay lalao nokarakarain’ny fahitalavitra iray teto an-drenivohitra, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe, Felicien KôpiKôlé. Araka ny filazan’ny iray tamin’ny fianakaviana dia tambohon’ny trano iray, natao hanohana rindrin-tany, izay teo ambonin’ny trano nipetrahany ity nihotsaka ity. « Vao nananomboka nitresaka ireo rarivato tamin’ity rindrina ity no nampandrenesin’ireo olona tao amin’ilay trano izy. Nivoaka saika hijery ny zava-misy i Felicien, no niseho ny loza ». Nihotsaka tamin’izy saika hiakatra tao amin’ireo olona niantso ilay tamboho, narahin’ny ranon-tany aman-taoniny, nananototra ity mpanakanto ity. Fanontaniana nipetraka teny am-bavan’ireo olon-drehetra tamin’ity loza ity, indrindra fa ireo mpankafy ny hoe tena izy marina ve no votototra tao ? Raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo fianakaviana hatrany dia tsy hita izy taorian’ny nisian’ny loza. Hita taty aorinan’ny fitadiavana ihany koa ny kapa nanaovany tamin’io fotoana io. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpamonjy voina. Ireto farany, izay tsy afaka ny mbola manamarina aloha hatreto raha tsy hita ilay olona. « Mbola mikaroka isika », raha ny filazan’ny lehiben’ny mpamonjy voina. Ity farany izay manentana ireo mponina hiantso ny mpamonjy voina, indrindra fa amin’izao fotoan’ny rivo-doza sy ny ora-mikija izao, mba tsy handainga sy hilaza mazava tsara izay mahazo azy. Izany dia mba hanamora sy hanafaingana ny fidinan’ireto mahery fo ireto eny amin’ireo toerana misy ny loza.

Hatramin’ny ora nanoratanay, adim-pamataran’andro maromaro aty aoriana, dia mbola manohy ny fikarohana hatrany ireo mpamonjy voina, izay efa nanampy ny isan’izy ireo teny an-toerana. Fantatra ihany koa fa mpitandro filaminana maromaro no manampy azy ireo amin’ny fitadiavana an’i Felicien ao anaty ranon-tany ao. Raha ny vaovao farany azo teny an-toerana dia hanova paika ireo mpamonjy voina, amin’ny alalan’ny fampiasana alika mpitsongo dia, hanamora ny fitadiavanana ny vatan’i Felicien. Olona fahefatra niharan-doza, tamin’ny fihotsahan’ny tany sy firodanana trano ity tovolahy ity. Fantatra fa hisy ny fepetra horaisina manokana, ho an’ireo fanorenana tsy ara-dalana, hisorohana ny loza toy izao, araka ny voalazan’ny tompon’andraiki-panjakana tonga teny an-toerana omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser