Niredareda ny afo ary vetivety dia nahazo vahana. Ny antony dia satria toerana fivarotana kodiarana no nirehitra. Omaly tolakandro no niseho izany teny Andohanimandroseza. Mbola nisy fiara maromaro nipetraka tao anatin’ity toerana ity. Vokatry ny afo niampita dia may koa ny fiara iray raitra. Nitohy ihany ny afo ary nahazo ny fiara roa hafa. Nahetsika faran’izay haingana ireo fiara roa izay efa azon’ny afo ihany raha tsy izay dia kila forehitra. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina vao voafehy tanteraka ny afo na dia niezaka samy namono teo aza ny olona. Mbola tsy fantatra kosa ny mety ho anton’ilay firehetana na dia matetika aza dia ny « court circuit » no tena miteraka an’izany eto an-drenivohitra.
D.R