- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Ramatoa hita faty tao anaty rano

Mandroseza : Ramatoa hita faty tao anaty rano

Mandroseza Ramatoa hita faty tao anaty rano
Mandroseza
Ramatoa hita faty tao anaty rano

Ramatoa iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hitan’ny olona natsingevan’ny rano teny Mandroseza, omaly maraina. Efa tsy misy aina intsony ity vehivavy ity tamin’io fotoana io, raha ny fantatra teny an-toerana. « Izaho handeha hanadio iny moron’ny rano iny no nahita zavatra nitsingevana toa olona teo amoron-drano. Nampandrenesiko haingana ireo mpiara-miasa amiko raha vao hitako hoe tena olona ilay izy », hoy ny filazan’ny rangahy iray, miasa eny an-toerana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy nijery ny zava-misy sy nampiakatra ny razana avy ao anaty rano. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo izahay no nampandrenesina », hoy ny filazan’ny Sefo Fokontany eny an-toerana. « Tsy nahitana na inona na inona momba azy tany aminy, ankoatra ny vola enina arivo ariary tao am-paosiny. Tsy mponina ety amin’ny faritra ihany koa io vehivavy io ary tsy milaza ho tsy misy mahafantatra azy ny mponina » hoy hatrany ny fanazavana. Novonoina sa lasatsaka tao anaty rano ? Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahafaty ity ramatoa ity. Tsy nahitana ratra ihany koa mantsy ny vatany ary mbola miakanjo tsara. « Teo amin’ny orony fotsiny no nivoaka rà » hoy hatrany ireo mponina teny an-toerana. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Nalefa eny amin’ny tranom-paty kosa ny razana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici