- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Taxi-be nandona nahafaty mpitondra bisikleta, nitsoaka ny mpamily

Mandroseza : Taxi-be nandona nahafaty mpitondra bisikleta, nitsoaka ny mpamily

Nandriaka indray rà teny amin’iny lalan’i Mandroseza iny, ny sabotsy tolakandro lasa teo. Lehilahy mpitondra bisikleta iray no maty tsy tra-drano rehefa voadonana taxi-be 192 teny an-toerana.

Somary nalalaka ny lalana tamin’io tolakandro io, tokony ho tamin’ny telo ora teo ho eo. Toy ny mahazatra dia efa tsy gaga intsony ny olona raha mahita ireo taxi-be mirafarafa avy any. Taxi-be roa, mampitohy an’i Mandroseza sy Ankadikely Ilafy no nifanenjika tamin’io fotoana io. Samy fiara matanjaka ihany koa ka samy nampiseho ny heriny avokoa. Niezaka ny hisongona ilay teo aloha ilay fiara tato aoriana. Teo indrindra anefa no nitranga ny loza. Sendra nisy bisikleta nipoitra tampoka, nifanena tamin’ireto fiara roa ireto. Tsy tafajanona intsony ilay fiara nandeha mafy ka nandona ilay kodiaran-droa voizina. Nianjera ilay mpitondra bisikleta ary mbola voarain’ny kodiarana ihany. Voahosy tanteraka ny lohany. Vaky ary nipotsaka teo amin’ny arabe mihitsy ny atidohany. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy vao 22 taona monja. Tetsy andanin’izay kosa, tafajanona ihany ilay taxi-be nandona olona. Niezaka namonjy ilay voadona avokoa ny olona tonga nijery, saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony. Vao nitranga kosa ny loza dia toy ny tsy teo ny nitsoahan’ilay mpamily nahavanon-doza. Nentiny nanaraka azy tany ihany koa ny taratasin’ny fiara. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nizaha ny zava-misy sy nandamina ny fifamoivoizana. Nifampitadiavana ilay mpamily saingy tsy hita tany nanjavonana mihitsy. Raha ny fantatra dia omaly antoandro vao nitolo-batana teny amin’ny pôlisy ity mpamily ity.

Fa mbola taxi-be iray mampitohy an’Itaosy ihany koa no niharan-doza teny amin’iny faritra 67ha. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia nandeha mafy ihany ity fiara ity. Teo am-pisongonana môtô ity fiara ity no tsy tana intsony ny familiana ka dia nifatratra tamina andrin-jiro iray. Vokany naratra avokoa ireo mpandeha 15 tao anatin’ity taxi-be ity. Potika tanteraka kosa ny lohan’ity taxi-be ity. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici