Nisehoana loza indray ny tao amin’ny ranon’i Mandroseza omaly hariva, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any. Zazalahikely 6 taona no natelin’ny rano, ka namoy ny ainy. Araka ny fanazavana azo dia ankizy maromaro izy ireo no nifampitaona hilomano teny amoron-drano. Somary nafampana kely ihany moa omaly antoandro, ka mety izay no nampiitatra ny sain’ireto kilonga madinika ireto handeha hisaika kely. Raha ny fantatra dia faritra tsy azo idirana iny tobin-dranon’i Mandroseza iny, kanefa nangalatra niditra tao ihany ireo ankizikely ireo. Nirotsaka amin’izay ny hatsiaka mamanala. Efa nifanaraka ny hody izy ireo, no niroboka an-drano faramparany, saika haka tombony kely ity ankizilahy namoy ny ainy ity, araka ny vaovao re hatrany. Tsy fantatra mazava hatreto izay nitranga. Ankevitry ny nangatsiaka be loatra angamba, ka tsy nahafahan’ny hozatra nihetsika intsony. Fa izy efa nanomboka nilentika sy niantsoantso no hitan’ireo namany, ka nezahina novonjena. Indrisy anefa fa tsy avotra. Nigadona teny an-toerana, tao anatin’ny fotoana fohy monja, taorian’ny antso vonjy niantefa tany aminy ireo mpamonjy voina ,saingy efa vatana mangatsiaka sisa no nampakarin’ireto farany avy anaty rano. Telo metatra nialan’ny morondrano no nahitan’ireo mpisitrika ny razana.
m.L