Nisesy ny lozam-pifamoivoizana omaly, saingy mba tsy nahafatesana olona kosa, fa naharatrana sy nanimba fanana. Toy izany ny teny Mandrosoa Ivato omaly vao marainabe, fiara iray nandeha mafy ka nivadika vokatr’izany. Raha ny loharanom-baovao, olona roa no tao anatin’ity fiara-tradoza ity, izay samy naratra avokoa. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ary nandefa ireo naratra notsaboina. Nisehoana loza mitovitovy amin’izany ihany koa teny Mahamasina omaly ihany. Fiara karetsaka nifandona tamin’ny kamiao kely iray. Araka ny fanazavana azo, vao nahazo fahazoan-dalana mamily fiarakodia vao haingana ilay mpamilin’ilay fiara karetsaka, ka tsy nahafehy familiana ka izao tra-doza iza, Tsy nisy ny naratra fa fahasimbanin’ny fiara roa kosa no hita teny an-toerana. Tsy mifanalavitra amin’izany, lozam-pifamoivoizana niseho teo avaratr’Ambohitrarivo Ambatondrazaka , tsy nisy ny aina nafoy. Fiara mpitatitra olona no niharan-doza teo avaratr’Ambohitrarivo omaly. Nivadika intelo ilay fiara raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Tsy nisy ny aina nafoy saingy naratra avokoa ny olona tao anatiny. Ny fiara kosa potika tanteraka. Endriky ny lozam-pifamoivoizana miseho lany eto amintsika izany, izay mila fitandremana, sy fanarahan-dalàna. Mety amoizana ain’olona, mandratra ihany koa, ankoatra fahasimbana fananana. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny mpamily. Eo ihany ny fiara mety tsy manaraka tsara ny fitsirihana ara-teknika. Ilàna fanarahana avokoa izany rehetra izany.
Yv Sam