Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lala-migodanan’Ivato iny omaly. Fiara kely iray no nifatratra teny amina fiara roa, rehefa avy nifaoka môtô teo an-tsisin-dalana. Vokany: olona telo no naratra mafy, anisan’izany ilay mpitondra môtô, ny mpamily an’ilay fiara kely ary mpandeha iray hafa tao amin’ireo fiara voadona. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Ny hany hita teny an-toerana dia mafy ny fifandonana, antony iray hilazàna fa nandeha mafy ity fiara kely marika “Wolswagen” ity. Heverina fa mety ho tsy nahatana ny familiana intsony ny mpamily teo am-pidirana fiolanana ka nifaoka môtô iray nijanona teo amoron’arabe. Noho ny hamafin’ny fandehanana anefa dia nipitika ity fiara ity ary niafara teny amin’ireo fiara nifanena taminy, fiara tsy mataho-dalana iray sy taxi-be mindrana iny lalana iny. Potika tsy nisy noraisina ilay môtô “honda” voafaoka voalohany. Nipitika mihitsy aza moa ilay mpitondra izany, raha ny filazan’ireo mponina ihany. Potika ihany koa ny alohan’ny ilay fiara nandona, nifanandrify teo amin’ny toeran’ny mpamily, antony nahavoa mafy ity farany. Torak’izay ihany koa no nahazo ireo fiara roa hafa voadona. Mpandeha iray tao anatin’ilay taxi-be kosa no naratra ihany koa noho ny fahavoazana hatrany. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana ireto naratra ireto, raha ny fanazavàna azo teny an-toerana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Mazàna tokoa dia azon’ny fakam-panahy handeha mafy avokoa ireo fiara mindrana an’iny lalana iny, noho izy io malalaka tsara. Betsaka ihany anefa etsy an-danin’izay ireo fiolanana mety hampidi-doza, toy ity nitranga teo Mandrosoa ity. Efa maro rahateo ireo lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny an-toerana. Tokony hitandrina araka izany ny tsirairay ary tokony hisy ny fepetra horaisin’ireo tompon’andraikitra isanisany hisorohana ny loza toy izao.
m.L