- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandrosoa Ivato : Misy mifampitaona hitokona anio

Mandrosoa Ivato : Misy mifampitaona hitokona anio

Avy amin’ny alàlan’ny peta-drindrina no fisehoan’ilay fitarihana olona hitokona. Omaly no niparitaka izany ary nanaitra ny sain’ny manam-pahefana teo anivon’ny fokontany izay nampandre ny zandary. Mahakasika ny famefena ny tambohon’ny tany izay an’ny minisiteran’ny fambolena ny olana izay heverina fa mitady hampitroatra ireo olona. Misy ampahan-dàlana izay tapaka mantsy ary tsy azo hivemezivezena intsony ao anatin’izany ary izay no anton’ilay fikasàna hitokona. Anio, raha jerena amin’ilay peta-drindrina sy trakta no tokony hisian’izany fitokonana izany. Omaly ihany koa anefa, raha araka ny fantatra, dia efa nivezivezy teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana izay nanao fisafoana matetika ireo fotodrafitr’asam-panjakana. Etsy ankilan’izay dia nanokatra fanadihadiana izy ireo ny amin’izay mety ho niavian’ny trakta sy peta-drindrina. Ny fitokonana dia azo hatao tsara rehefa tsy misy fiantraikany amin’ny filaminam-bahoaka sy ny fivezivezen’ny olona ary ny fiara ka nahazoana alàlana avy amin’ny manam-pahefana. Matetika loatra anefa dia tsia hatrany ny valin’ny fangatahana ary mahatonga ny olona manaonao foana ka voasambotra mora foana avy eo. Tsotra kely ny mamadika ny raharaha ho lasa fanohinana filaminana anatiny rehefa any amin’ny fitsaràna ary eo indrindra ny olona no mila mitandrina ary manaraka ny ara-dalàna…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici