Tsy mifaditrovana. Tokantrano iray no notafihan’ny andian-jiolahy teny amin’iny faritra Mandrosoa Ivato iny ny marainan’ny talata lasa teo. Tsy vitan’ny nandroba ireo fananana sy zavatra sarobidy rehetra tao anefa ireo olon-dratsy fa mbola naolan’izy ireo ihany koa ny ankizivavy kely iray 12 taona niaraka tamin’ny reniny, ary izany dia teo anatrehan’ny rainy. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray teny an-toerana ity ireo jiolahy. Niisa telo izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Nanao saron-tava avokoa moa izy ireo ary nirongo zava-maranitra. Mahagaga fa efa mazava tsara ny andro tamin’io fotoana io ary efa maro amin’ireo mpiray monina no nifoha, kanefa dia mbola sahy nanao ny asa ratsiny ihany ireo jiolahy. Vao tafiditra ny trano izy ireo, araka ny vaovao hatrany dia norahonan’izy ireo tamin’ireo fitaovam-piadiana teny an-tanany ny tompon-trano, izay tsy afa-nanohitra noho ny tahotra sy tratran’ny be noho ny vitsy. Rehefa voafehin’ireo andian-jiolahy ireo ny tao an-trano dia nofatoran’izy ireo tsy afa-nihetsika ny raim-pianakaviana. Tetsy an-danin’izay kosa, nifandimbiasan’izy telolahy nanamparan’izy ireo filan-dratsiny ny zanak’ity lehilahy ity, niaraka tamin’ny vadiny. Rehefa vita ny nataony dia nitsoaka niaraka tamin’ireo entana sarobidy sy ny vola tao an-trano ireto olon-tsy vanona ireto. Taorian’io moa vao afaka niantso ny ireo lasibatra. Tonga teny an-toerana ny zandary, nanao ny fanadihadiana. Izy mianaka niharan’ny herisetra ara-nofo kosa nentina haingana namonjy hôpitaly ary efa manaraka fitsaboana amin’izao.
m.L