Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tetsy Mandrosoa Ivato ny harivan’ny sabotsy teo tokony tamin’ny 5 ora. Tovovavy avy niasa teny Ivato handeha hamonjy fodiana no torana tsy nahatsiaro tena rehefa nitsina 4×4 iray teo amin’ny fiholanana teo Mandrosoa Ivato ny fiara nentiny. Potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ihany koa ilay fiara 205. Ny tao anatin’ilay 4×4 kosa dia tsy nisy naratra. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy tamin’ity loza ity fa ilay tovovavy torana tsy nahatsiaro tena no nifandrimbonan’ny olona nosokirina sy naterina teny amin’ny hopita ly. Voalaza mantsy fa tsy naratra ity farany fa ny familiana sy ny seza no nanery azy tao ary noho ny hamafin’ny dona nihatra taminy no nahatorana azy. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia tsy tokony nifandona ireto fiara roa ireto fa ilay 4×4 no tonga dia nivily ankavia nanitsy ilay 205 tsotra izao noho ny antony tsy fantatra. Ramatoa lehibe manodidina ny 70 taona no nentin’ilay mpamily tao. Tsy fantatra arak’izany ny nahatonga ity mpamily ity nivily làlana, na resin-tory izy na sanatria mamo na koa tapaka hisatra ny fiarany. Rehefa nojerena ny tao anatin’ilay fiaran’ilay tovovavy dia fantatra fa mpiasan’ny ACM izy. Tsy fantatra kosa hatreto na ny anarany na ny fonenany.
Niony H.