
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanovana omaly ny tovolahy miisa roa, 17 taona sy 21 taona, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Mandrosoa Ivato. Ny herinandro teo no nahatrarana azy roa lahy, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina noho ny fitsindromana « héroïne » sy fifohana rongony. « Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena amin’ny famongorana ireo tanora midoroka zava-mahadomelina eto an-drenivohitra, ka lehilahy roa indray no naharaisana loharanom-baovao, fantatra fa mamboly rongony ao an-tranony sy mitsindrona héroïne », hoy ny fanazavan’ny polisy. Nidina teny an-toerana ny polisin’ny Stup nanao ny fisamborana ka tratra tao an-tranony izy roa lahy ireto. Marihina fa mbola nahatrarana fonosana « héroïne » miisa dimy tao amin’izy ireo sy fototra rongony miisa valo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy Stup ireto farany nanaovana fanadihadiana. Araka ny efa nambaran’ny polisy ihany, mirongatra be ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika, ary ireo tanora no tena lasibatra, izay miandahy miambavy mihitsy. Maro ireo efa tratra na ny mpivarotra na ny mpidoroka, saingy ireo tena fositra loharano ipoiran’ireny zava-mahadomelina mahery vaika ireny no tsy azo hatreto, ka mahatonga ny fiparitahan’izy ireny etsy sy eroa. Ny eto an-drenivohitra sy ny any Toamasina no tena ahitana ity karazan-drongony mahery vaika ity.
Yv Sam