- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMandrosoa Ivato : Zandary maty notrongisin’ny fiara

Mandrosoa Ivato : Zandary maty notrongisin’ny fiara

Zandary iray niasa teny Ivato no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Mandrosoa. Tamin’ny 11 ora, omaly,  tamin’izay. Nitaingina Scooter ity mpitandro filaminana ity. Tsy fantatra marina anefa izay niseho fa araka ny lohanam-baovao, nandeha mafy ilay fiara ary saika hisongona. Tamin’izay fotoana izay anefa no voatrongy avy aty aoriana ny moto nentin’ilay zandary. Nianjera teny amin’ny arabe izy ary voalaza fa mafimafy ihany izany.  Vetivety foana dia natao ny fomba nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy avotra intsony anefa ny ainy. 28 taona ity olona nindaosin’ny fahafataesana ity.

Fa ankoatra ity loza ity, fantatra koa izao fa teratany karana iray nitondra moto no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalana “Hydrocarbures”. Tamin’ny zoma efa alina no voadonan’ny fiara izy io. Somary maizina ilay toerana nahavoa azy. Nianjera tamin’ny arabe izy. Ilay nandona voalaza fa tsy nijanona. Nisy fiara roa hafa koa anefa, tsy nahita azy ary dia samy nandratra azy avokoa. Dia samy lasa. Nisy ireo tsara sitrapo nahita ny loza niezaka nanakana taxi nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Noho ny ratra nahazo azy anefa, tsy tana ihany koa ny ainy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser