- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversManerinerina : Mpivady mpitarika fivavahana karohina  

Manerinerina : Mpivady mpitarika fivavahana karohina  

Fanararaotana ara-nofo amin’ny zaza amam-behivavy. Ireo no tena antony nahatonga ny olana. Mpitondra fivavahana ary manana toby ivondronan’ny mpino azy ao Manerinerina, distrikan’Ambato-Boeny no tompon’antoka. Tereny hanao firaisana ara-nofo aminy ny vehivavy ary aolany ny zaza. Mbola misy vesatra hafa koa aza anenjehana azy ary izany dia efa mahakasika heloka bevava tanteraka. Isan’izany ny fahitàna faty teny amin’ny manodidina ny toerana ary koa ny fisian’ny olona nanjavona ary tsy hita faty tsy hita velona. Hatreto dia tsy hita izay nanjavonan’ireo mpivady raha noravain’ny fanjakana efa tamin’ny voalohan’ity volana ity ny toby, noravana tanteraka. Raha ny tomban’ny manam-pahefana dia nomena zava-mahadomelina ireo mpino ireo ary nohararaotina tanteraka nony avy eo. Misy mpivady tonga ao amin’ny toby ary viravirain’ilay mpitarika fivavahana ny vadiny kanefa tsy nanohitra ny tompom-bady. Endrika iray izay entina hanazavàna fa efa tena lasa lavitra tanteraka ny fandemen-tsaina nisy. Naparitaka ny sarin’izy mivady ary mandeha ny fikarohana rehetra ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici