- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversManerinerina- RN4 : Taxi-brousse tra-doza: mpandeha enina naratra

Manerinerina- RN4 : Taxi-brousse tra-doza: mpandeha enina naratra

Omaly, tamin’ny dimy ora maraina, taxi- brousse mampitohy an’Antsiranana sy Antananarivo indray no nivadika ambony ambany tany  Manerinerina, lalam-pirenena fahefatra. Tsy nahafeno toerana moa ity zotra nasionaly ity tamin’izao loza izao. Resin’ny torimaso ilay mpamily ka tsy voafehiny intsony ny familiana ka nivarina tany amin’ny sisin’arabe. Vokany : mpandeha enina no naratra, ireo teo anilan’ny mpamily sy izay nipetraka teny aloha no tena voa mafy tamin’izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nalefa haingana tany amin’ny hopitaly tao Ankazobe avy hatrany moa ireo naratra hotsaboina ary nalefa taty Antananarivo rehefa vojerin’ny mpitsabo. Efa eo am-panatanterahana fanadihadiana kosa ny eo  anivon’ny zandarimaria ao Manerinerina izay nandray an-tanana ity raharaha ity. Fepetra mila hamafisina manoloana ny loza-piarakodia nisesisesy izay ny fametrahana mpitandron’ny filaminana isaky ny toerana hitrangana loza matetika raha araka ny nambaran’ny zandarimaria. Izany no hatao mba hanairana ny mpamily ny amin’ny olana ara-teknika mety hitranga  fa tsy hisava taratasy foana akory. Antony maro no mety niteraka ny loza fa ny tsy fitandremana aloha dia tsy azo tsoahina. Eo ihany koa ny harerahana be loatra taorinan’ny fety mitarika any amin’ny tsy fahampiana torimaso. Raha ho an’Antsiranana manokana  raha ny tatitra avy ao amin’ny commissaire central Roger Moratamby  dia olona 12 no naratra tamin’iny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao iny, efatra no vosambotrin’ny mpitandro ny filaminana  raha iray ihany no maty.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici