Efa ho tapa-bolana mahery ireto vehivavy roa ireto no teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy naka an-keriny azy. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, noho ny herim-pon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana.
Ny 24 febroary lasa teo no nalain’ny dahalo an-keriny tao Betaba, ao amin’ny kaominina Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny ny vehivavy roa, nandritra ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao amin’io tanàna io. Tamin’izay fotoana izay no nanomboka nikaroka sy nanara-dia ireo mpaka an-keriny ireo zandary tany an-toerana. Fotoana fohy taty aoriana, toy ny trangana fakana an-keriny rehetra, dia nitaky vola ho onitry ny famotsorana azy ireo olon-dratsy. Ny fisian’izay no nanosika ireo mpitandro filaminana hanao izay azon’izy ireo natao, hanavotana ireo vehivavy roa. Ny faran’ny herinandro teo ary dia votsotra tany Ambatolampy, ao amin’ny kaominina Sarobaratra, distrika Tsaratanana ireo olona lasa an-keriny, tsy nisy ny fandoavana ny vola notakian’ireo olon-dratsy. Nentina nody namonjy ny tokantranony moa ireo olona ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana sy fanarahan-dia an’ ireo mpaka an-keriny izay tafatsoaka tamin’ny famotsorana ireo vehivavy.
m.L