Tena faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny any amin’ny Kaominina Tsararano sy ny Mangabe. Saika andrenesana vonoan’olona sy asan-jiolahy hatrany ny any amin’ireo kaominina roa ireo. Jamà iray indray mantsy no maty voatifitry ny jiolahy. Tao amin’ny fokontany Bevilany, Kaoimina Tsararano, disitrikan’i Maevatanàna, ny Alarobia 13 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany maraina, no nisehoan’izany. Araka ny fanazavana voaray avy Atoa Jocylin izay monina ao Amboabary, dia dahalo dimy lahy nitondra basim-borona sy zava-maranitra no nangalatra omby 100 ana mpandraraha iray monina any amin’ny Kaominina Mangabe iny. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny vatan-dehilahy teo an-tanàna. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandroba no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana ary naharitra 15 minitra teo izany. Tsy naresy tosika ny dahalo ireo vatan-dehilahy, ka vaky nandositra no sady nampandre antso an-telefaonina ny jamà iray tany Bevilany, satria mizotra hoan’ny ny lalan’ireo malaso ireo. Nisy malaky ny sakana nataon’nilay Jamà sy ireo fokonolona teo amin’ny manodidina. Vao natazana azy ireo ny dahalo dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanejehana sy ny fifampitifirana, ary naharitra adiny iray izany. Vaky lefa kosa ireo fokonolona nanoloana izany, ka teo no nanaraotan’ireo malaso an’ilay Jamà, lavo ihany izy nandritra ny fifanjevona. Nidina ifotony nanao ny fizahana sy fanadihadiana ary fikarohana ireo jiolahy ny Zandary ao amin’ny « Poste Fixe Bevilany.»
Ratantely