- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMangabe - Maevatanàna : Nisitraka "Bloc sanitaire" vaovao ny Epp Antanambao

Mangabe – Maevatanàna : Nisitraka « Bloc sanitaire » vaovao ny Epp Antanambao

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Betsiboka sy ny ONG « A better life for children » dia hisitraka « bloc sanitaire » vaovao ny EPP Antanambao, any amin’ny kaominina Mangabe, ato anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Maevatanana. Nysabotsy 12 novambra 2022 lasa teo no nametrahana ny vatofototr’ity fotodrafitrasa ity. Ny solontenan’ny filohan’ny ONG « A better life for children » sy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Betsiboka no nametraka izany vatofototra izany, natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Tsara homarihina fa ny EPP Antanambao dia nisitraka tranon-tsekoly avy amin’ny ONG Akany TSIMOKA syny « fondation AXIAN », izay eo an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici