- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMangabe Toamasina : Mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Mangabe Toamasina : Mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka etsy, fitsaram-bahoaka eroa, izay no zava-misy manerana ny nosy ankehitriny amin’ny fahatraran’ny vahoaka ireo jiolahy mampahory azy ireny isam-pokontany. Ny eo tsy milamina, ny eo mipoitra ihany mikasika izany, ka isan’ny nitrangan’izany izao ny tao amin’ny kaominin’i Mangabe Toamasina II noho ny resaka vaky trano izay nahazo vahana tamin’ity kaominina ity tato ho ato izay.  Raha ny vaovao azo avy any an-toerana nampitain’ireo solontenam-pokonolona, dia ny faran’ny herinandro teo no nisy lehilahy iray nanao ity famakiana tranon’olona iray tao Mangabe Toamasina II ity. Efa voapitsoka tanteraka ny savily mihazona ny varavaran’ilay trano, saingy ren’ny tompon-trano izany ka taitra nijery ny zava-nisy ny tenany tamin’izay. Vao nahita ny tranony nibananaka ny tompony dia niantso vonjy avy hatrany, ka vory ny fokonolona nahare izany, ary raikitra avy hatrany ny fikarohana ny mety ho nahavita izao fikasana hamaky trano izay voalaza mirongatra be ao Mangabe Toamasina II izao. Raikitra ny fanenjehana, satria vao nahita ireo fokonolona tafavory maro ilay jiolahy mbola niezaka ny niery dia nandositra, ka nifanenjehan’izy ireo ka tratran’izy ireo tsy lasa lavitra ny tanàna akory. Tonga dia daroka sy vely kibay ary toto vato no nahazo ity lehilahy voalaza fa nikasa hamaky trano ity, ka maty tsy tra-drano noho ny vono nahazo azo azy nandritra ny fahatraran’ny fokonolona azy. Taorian’ny fahafatesany dia tsy nisy fianakaviany naka azy, ka ny fokonolona ihany, tamin’ny alalan’ny komitim-pokontany sy ny polisy kaominaly avy nanao fanamarinana ny maty, no nandevina azy…

Malala Didier

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici