- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMangamila Anjozorobe : Maty voatifitra i « Faly be », dahalo rain-dahiny

Mangamila Anjozorobe : Maty voatifitra i « Faly be », dahalo rain-dahiny

Jiolahy malaza ratsy antsoina hoe « Faly be » no maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana nisy teo amin’ireto farany sy ny tarak’iry voalohany, ny talata lasa teo tany amin’iny kaominina Mangamila, distrika Anjozorobe iny. Nitsoaka avy hatrany moa ireo namany, raha vao lavo ity mpitarika ity.

Tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana tokoa mantsy fa hoe mikonokonona fanafihana mitam-piadiana ny jiolahy iray, efa diso fanta-daza loatra any amin’iny faritra faritra iny,  miaraka amin’ireo namany. Tsy fantatra mazava ny faritra hanaovany ity fanafihana ity fa fotsiny hoe mandodina ny Sadabe. Ny toerana hanaovan’izy ireo fiomanana sy hamaharan’izy ireo no fantatra : ao amin’ny tanana antsoina hoe Andohamandry, fokontany Marovato, kaominina Mangamila, distrika Anjozorobe. Vao nahare izany moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sadabe dia nidina avy hatrany tamin’ilay tanana voalaza. Sarona tao amin’io toerana io tokoa ireo andian-jiolahy izay vao vantany nahita ireto mpitandro filaminana avy hatrany dia namoaka fitaovam-piadiana. Raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Minitra maromaro ihany ny fifampitirana nisy, hoy ny fampitam-baovao azo ary nihato tampoka izany. Rehefa niroso nijery ny zava-nisy ireo zandary dia efa tsy nisy hita intsony ireo olon-dratsy ankoatry ny vatana mangatsiakana lehilahy iray, rotiky ny bala, nihoson-drà teo amin’ny tany, niaraka tamin’ny basy MAS36 iray sy kitapo kely iray feno ody gasy. Ny karam-panondro hita tany aminy no nahafantarana fa io ilay « Faly be » jiolahy rain-dahiny any amin’iny faritra iny. Nentina notiliana tao CSBII Sadabe moa fatin’ity lehilahy ity. Mbola mitohy kosa any an-toerana ny fikarohana ireo naman’i « Faly be », izay tafatsoaka tamin’io andro io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici