- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversMangamila – Anjozorobe : Mpianatra folo nihetsika ambalavelona

Mangamila – Anjozorobe : Mpianatra folo nihetsika ambalavelona

Ny herinandro lasa teo, mpianatra folo avy amin’ireo sekolim-panjakana ao Mangamila, disitrikan’ Anjozorobe no indray niara nihetsika ambalavelona. Ankizivavy avokoa izy ireo, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana ka ny roa, mpianatry ny lycée, ny valo ambiny kosa, mpianatry ny CEG. Nampisahotaka ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy mponina tany an-toerana ity tranga, izay toa mahagaga fa miseho lany amin’ireo faritra maro eto amin’ny Nosy. Niara-nihetsika ity aretina hafahafa ity avokoa ireto ankizy ireo, izay miseho amin’ny alàlan’ny fitomaniana, fikiakiahana mafy be miharo fanintotsintona. Tsara marihana fa ankizy manodidina ny 14  ka hatramin’ny 17 taona eo ireto mpianatra ireto, raha ny vaovao hatrany. Nidina avy hatrany tany an-toerana taorian’ity tranga ity, ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra maromaro, hizaha ifotony ity tranga ity. Tamin’izany no nanapahana hevitra ny hanakatonana vonjimaika, tao anatin’ny fotoana voafetra ireto sekoly ireto, tamin’iny herinandro iny, mba hisorohana ny mety hiparitahan’ity aretina ity, toa ny nahazo ireo sekoly hafa tany amin’ireo faritra hafa. Fantatra kosa, fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireto ankizy ireto. Iray tamin’izy ireo no somary sarotra nositranina raha ny vaovao hatrany, saingy tsy maninona intsony kosa izany amin’izao fotoana izao. Raha ny vaovao farany azo, dia efa nisokatra ny lycée, ary mianatra ireo mpianatra. Mbola nasaina nody kosa aloha ireo mpianatra ao amin’ny CEG, raha ny omaly. Na izany na tsy izany, azo ambara tanteraka, fa efa milamina ny any an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Hatreto dia tsy nisy aloha ny olona nahiahiana sy notondroina ho tompon’antoka, toy izay niseho tany Miandrivazo, tamin’ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici