- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMangamila Anjozorobe : Raikitra ny sakoroka tao am-piangonana, noravaina ny fivavahana

Mangamila Anjozorobe : Raikitra ny sakoroka tao am-piangonana, noravaina ny fivavahana

Saika niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana mihitsy ny fotoam-pivavahana, ny alahady teo, tao amina fiangonana iray tao Mangamila Anjozorobe. Voatery noravana araka izany ireo mpiangona ary nifanasa vangy teny an-tokontany. Nisy mihitsy aza, raha ny fampitam-baovao azonay ny fidinan’ny tompon’andraikitram-panjakana teny an-toerana nandamina azy ireo. Raha ny fantatra dia nitrangana olana, izay teo amin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ity fiangonana ity sy ireo mpino sasantsany tao an-toerana. Voalaza mantsy fa manao fandaniana tsy araka ny tokony ho izy ny volam-piangonana ilay mpitondra fivavahana. Nimenomenona sy nangatam-panazavana mahakasika izany araka izany ireo mpino saingy tsy misy ny fanazavana azo avy aminy ka nahatonga io sakoroka io. Efa elaela ihany io tranga io no nisy tao amin’io fiangonana io ka mahatonga ny fizarazarana amin’ireo mpino. Lasa mizara telo ny mpino ao an-toerana noho ity olana ity. Misy ireo mbola manaraka an’ilay mpitondra fivavahana izay manao ny fotoam-pivavahany ao amin’ny fiangonana. Ao kosa ireo manohitra ilay mpitondra fivavahana, izay toa hoe voaroka tao am-piangonana ka miangona ao amin’ny trano vadim-piangonana, ary ao ireo kristianina no tsy tonga mivavaka intsony isan’alahady. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nanaiky intsony ireo tsy mpankasitraka  an’ilay mpitondra fivavahana ka niditra tao am-piangonana ary dia izao niafara tamin’ny sakoroka tao anaty trano fivavahana izao. Raha ny fantatra dia efa nisy ny fampahafantarana izao toe-draharaha izao amin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy misahana ity fiangonana ity, ary hantenain’ny rehetra fa hitondra fandaminana izany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici