Tsy vitan’izay herisetra ara-nofo mahatsiravina izay no nihatra tamin’ity vaviantitra iray, 70 taona latsaka fa mbola niharan’ny vono sy ratra niniana natao ihany koa ary nofofoina hatramin’ny ainy mihitsy aza moa. Mbola nikasa ny hitondra ireo zavatra sarobidy tao an-tokatranon’ity ramatoa lehibe ity ihany moa ilay nahavanon-doza. Soa ihany, teo ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mangamila, nisambotra azy avy hatrany taorian’ny fifanenjehana. Zava-nitranga tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny kaominina Mangamila, distrika Anjozorobe ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dia mipetra-drery ity renim-pianakaviana efa nahazo taona ity, tao amin’io tanàna io, izay heverina fa hialàna sasatra. Ny alin’io andro voalaza etsy ambony no nanao amboletra tao an-tokatranony ny lehilahy iray 33 taona, mpanamboatra finday ao amin’ilay tanàna. Olon-dratsy, izay efa marihana, hoy ny mpitandro filaminana fa efa ao mamon-java-mahadomelina (toaka sy mety ho rongony). Avy hatrany dia daroka tamin’ny tapa-biriky avy hatrany nihatra teny amin’ity vaviantitra ity, teo amin’ny masony. Rehefa jenjina tamin’izay vao nampiharany izao filan-dratsiny isan-karazany izao izany ramatoa lehibe izany. Nony vitan’ilay tsy mataho-tody izay zavatra nataony dia efa nokendainy sy handeha hovonoiny mihitsy. Tao anatin’izay no efa voasava ambony ambany ny trano, saika hangalarany ireo zavatra sarobidy tao. Raha ny fantatra dia tra-tehaky ny fianakavian’ity lasibatra ity tao an-trano ny lehilahy saingy tafaporitsaka. Efa nampandrenesina mialoha kosa ireo zandary tao an-toerana ary nanomboka teo ny fifanenjehana. Efa lasa lavitra tokoa, ary ny ampitson’io mihitsy aza moa vao voasambotra ilay tsy valahara, rehefa napetrak’ireo mpitandro filaminana ny paikady rehetra : fampandrenesana ireo zandary manodidina sy ny savahao nandritry ny tontolo alina manontolo. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity lehilahy nahavanon-doza ity, ary nadoboka eny Antanimora avy hatrany. Tetsy andanin’izay kosa, na dia naratra mafy vokatry ny herisetra nianjady taminy aza ity vehivavy ity dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, ary efa voaray an-tanana soa aman-tsara teny amin’ny Centre Vonjy. Na dia tsy mbola nivoaka tokoa aza ny didy fampiharana ilay lalàna, efa lany, mahakasika ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha-lahy na maha-vavy (Violence basée sur le genre ‘VBG’), izay mahafaoka ireo karazana herisetra mianjady amin’ny tsirairay, ny ara-nofo, ny ara-batana, ny ara-tsaina sy ny ara-bola, dia efa manao ny asany amin’ny fikarohana ireo heloka manodidina izany ny eo anivon’ny zandary. Nilaza mihitsy moa ny manamboninahitra iray, kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra « Imerina Centrale », fa « tsy hilefitra velively amin’ny VBG ireo zandary eo ambany fibaikony ».
m.L