- Hatreto aloha dia mbola sarotra ny hilaza fa voafehy ny tsy fandriam-pahalemana ato amin’ny faritra Betsiboka na dia eo aza ny ezaka goavana ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana ary iaraha-mahita ny ataon’ny mpitandro ny filaminana. Mitranga izany na ambanivohitra na eto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna, toy izay vao niseho tao amin’ny fokontany Manganoro, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, ny alin’ny 17 marsa hifoha ny 18 marsa teo, na ny marimarina kokoa tamin’ny 12 ora sy 15 minitra tany ho any. Tokantrano iray indray no lasibatry ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana io alina io. Araka ny loharanom-baovao voaray dia valo lahy ireo mpanafika nirongo basy sy zava-maranitra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo rehefa avy namaky ny varavarana. Vao tafiditra izy ireo dia nandrahona ireo olona tao an-trano tsy afa nanohitra intsony noho ny tampoka tsy nampoizina. Nanjaka tanteraka ireo jiolahy nandroba izay zavatra ilainy sy sarobidy hatrany tao. Vokany : Voaroba tamin’izany ny vola mitentina telo hetsy ariary, ary peratra volamena iray. Tsy vitan’izany fa nitondra takaloniaina roa tao an-trano izy ireo mba hoentina handemena ny iray tanàna. Efa kilaometatra maro vao navotsotra izy roa nentin’ny dahalo. Lasa lavitra ireo jiolahy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ny olona teny amin’ny manodidina. Raha vao nandre izany ny mpitandro ny filaminana dia nidina teny an-toerana nisehoan’ny fanafihana. Indrisy anefa fa tsy nisy azo natao intsony afa-tsy nanokatra ny fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana.
Ratantely