Zazalahy kely iray 9 taona no fantatra fa maty natelin’ny reniranon’ny Mangarahara ambany tetezan’i Mandritsara omaly, tokony tamin’ny 11 ora atoandro. Araka ny fantatra dia niaraka nisaika tamin’ny namany no nahatonga ny filatsahany tampoka tanaty rano. Miisa roa izy ireo no niaraka nilomano saingy avotra soaman-tsara ny iray. Rehefa nanao ny fikarohana azy tamin’ny alalan’ny fombafomba ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra eny ifotony dia hita ihany ilay zazalahy kely saingy vatana mangatsiaka sisa no nampiakarina avy ao anaty rano . Saika ahitana olona atelin’ny rano foana ao amin’ny reniranon’ny Mangarahara isan-taona indrindra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao. Eo ihany koa ny ranobe niakatra vokatry ny riovodoza nifanesy teto amintsika . Manentana ny rehetra ny manampahefana mba samy handrara ny zanany tsy hilalao amin’ny rano amin’izao vanim-potoana izao. Na ny lehibe ihany koa aza.
Yv Sam