- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMangaranao Antsirabe : Taolam-paty 219 isa sarona, jiolahy iray voatifitra

Mangaranao Antsirabe : Taolam-paty 219 isa sarona, jiolahy iray voatifitra

Taolan-dava miisa 219 isa indray no saron’ny zandary avy eto Antsirabe, taolan’olona manodidina ny 27 eo izy ireo raha ny fanazavana voaray.

Tsy mety mitsahatra fa mbola manjaka hatrany ny vaky fasana eto Antsirabe sy ny manodidina. Fasana iray no vaky tao Antanimalaza kaominina Managarana Antsirabe II, ny alin’ny 5 novambra lasa teo, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny zandarimaria. Ny alahady 30 novambra teo, araka ny vaovao voarain’ny zandary, dia misy olona mitady mpividy taolam-paty ao Tsarasaotra, fokontany Ambalamarina Mangarano hatrany. Taorian’ny fanadihadiana, nanaovana vela-pandrika ilay olona ka ny zandary ihany no nanao fitafiana tsotra ary nitonona fa mahafantatra olona handray ny taolana rehetra. Natao ny fotoana, ny alahady 30 novambra lasa teo, ary io tokoa ny anao lahy fa nampiseho ny taolana rehetra efa ho roa gony mahery. Mody niantso ilay patron ny mpamandrika, kinanjo efa zandary no antsoina amin’io. Vao nahatazan-davitra ireto zandary anefa ilay rangahy, ny mpamandrika amin’io efa namoaka karatra amin’ny maha zandary azy koa, dia namoaka sabatra lava lela. Raikitra teo ny sakoraka, hoy ny fanazavana, ka voatery nanapoaka basy ny zandary namehezana ity jiolahy. Voatifitra ity farany ary tsy nahetsika intsony, soa fa tsy ainy no nanefa  fa dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly izy ankehitriny.

Miisa efatra ireo olona voarohirohy amin’ireto aferana taolam-paty ireto no mbola karohina amin’izao fotoana, hoy ny lehiben’ny borigady Andranomadio GPHC Damy Bevahiny. Raha ny fanazavany hatrany dia azo inoana fa mety misy hifandraisany tamin’ilay vaky fasana tamin’ny 5 novambra lasa teo ireto taolana ireto. Mitohy ny fanadihadiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici