- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano Antsirabe : Mpanaradia omby niditra tamina karierana-vato sarobidy, saika raikitra ny...

Mangarano Antsirabe : Mpanaradia omby niditra tamina karierana-vato sarobidy, saika raikitra ny sakoroka

Saika niteraka korontana ny fanarahan-dia nataona andian’olona avy ao min’ny kaominina  Belazao, rehefa nandalo tamina fitrandrahana vato sarobidy tao Mangarano.  Marihina fa mifanila ireto kaominina roa ireto. Araka ny fantatra moa dia ralahina mpitondra ambony eto amin’ny firenena no tompon’ity fitrandrahana vato ao Mangaranao Antsiabe II ity ; izay efa niteraka-resa be hatry ny ela. Araka ny vaovao voaray, nitrangana fanafihana tao Belazao ny faran’ny herinandro lasa teo ka nahaverezana  omby roa. Rehefa nanao ny fanarahan-dia ny andian’olona maromaro, dia hita fa niditra tao amin’ilay kariera voalaza etsy ambony ny dian’omby, ity kariera ity moa izay marihana fa misy mpitandro filaminana miambina azy ao. Nifampiresaka  ireto mitonona ho mpanara-dia sy ny mpitandro filaminana nanao ny asany tao, ka nampidirina tao ihany ireo milaza ho mpanara-dia, saingy nantsoina ihany ny Emmoreg avy aty Antsirabe. Manodidina ny folo lahy teo ireto mpanara-dia avy ao Belazao ireo, rehefa natao ny fisavana azy dia samy nahitana basim-borona avokoa tamin’izy folo lahy niaraka tamina bala maromaro. Rehefa izany, nalefa niverina izy folo lahy fa ny fitaovam-piadiany kosa nogiazana.

Ny alatsinainy lasa teo anefa, re fa niverina tao Mangarano indray ny andian’olona maro niaraka tamin’ny ben’ny tananan’i Mangarano nikasa hanao fisavana fa nisy nanely fa latsaka anaty lavaka ao amin’io kariera io ilay omby. Tsy nisy fahazoan-dalana anefa nentin’ireo andian’olona ireo ka raikitra indray ny fifandirana teo amin’ny roa tonta. Samy niaka-peo ny andaniny sy ny ankilany ary saika niteraka korontana mihitsy. Voatery niditra antsehatra mihitsy ny OMC notarihan’ny Prefet an’Antsirabe nandamina ny raharaha ka nilamina ihany nony farany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici