- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano : Rangahy voatifitra tao an-trano

Mangarano : Rangahy voatifitra tao an-trano

Ny sabotsy lasa teo no nisehoan’ity tranga ity, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva raha ny fanazavana voaray  no tonga tao an-tanana ny olona iray nitondra basy mahery vaika.Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tifitra variraraka no niantefa tamina rangahy iray raha izy nivoaka teo an-davarangany hitazana  izato olona mitady azy. Ny hamono ity rangahy ity mihitsy no anton-dian’ilay nahavanon-doza satria tsy nisy fandrobana na dia mpivarotra aza no tao ambany rihana nisy ilay rangahy . Raha ny fanazavana  azo avy tamin’ny zandarimaria dia vodim-bala miisa telo no hita teny an-toerana nandritra ny fizahana natao ary nahitana diam-bala telo ihany koa ny rindrina. Nahavoa ny lohan’ilay rangahy ny bala ary nipotsaka ny atidohany. Efa misokotra ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity.

RN 7 : Taxi-brousse nisy nanakana

Nitrangana fanakanan-dalana tao Ambatomainty amin’ny lalam-pirenena faha-7 miala kely an’Antsirabe iny ny sabotsy alina lasa teo. Taxi brousse iray avy any Toliary hiazo an’Antananarivo no nisy nanakana. Nosakanan’ireo jiolahy tamina hazo be ny lalana mba tsy ahafahan’ny fiara mandeha. Anaty haizina no nitrangan’ny fanafihana roa lahy nitondra famaky sy zava maranitra no fantatra fa nandroba ireo mpandeha tao anaty fiara. Tapitra noraifin’ireo jiolahy ny finday sy volan’ny mpandeha tao anaty fiara. Rehefa izany nitsoaka izy roa lahy ireo. Tsikaritry ny olona sasany fa tsy nisy basy teny an-tanan’ireo jiolahy ary vao nahita azy ireo nitsoaka ny mpandeha dia raikitra ny fifanenjehana saingy tsy nisy tratra ireo jiolahy mpanafika.

Mampitaraina ny mponina eny amin’ny manodidina mihitsy ity toerana ao Ambatomainy ity satria fantatra fa matetika no misy andian’olona manendaka eo amin’ity toerana ity rehefa harivariva ny andro.

Nangonin’i Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici