- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano-Toamasina : Jiolahy tra-tehaka teo am-pamakiana tranom-barotra

Mangarano-Toamasina : Jiolahy tra-tehaka teo am-pamakiana tranom-barotra

Lehilahy miisa telo saika hamaky tranom-barotra lehibe an’ny teratany vahiny iray ao Mangarano no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny boriborintany voalohany Toamasina ny 28 may 2020 lasa teo. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po izay nanome loharanom-baovao marim-pototra sy ara-potoana.

Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nametraka mpitandro filaminana teny amin’ny manodidina niandry ny fiavin’ireo jiolahy. Ny 28 may io tokoa, tokony tamin’ny 10 ora alina teo ho eo dia lehilahy miisa roa no tsikaritry ny polisy nihaodihaody teo amin’ilay tranom-barotra ary niezaka nanokatra ny varavara tamin’ny « barre mine » sy « pince coupante ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka noraim-potsiny teo  ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka kosa ny faharoa na dia efa nanao tifi-danitra aza ny polisy hampijanonana azy. Tsy nijanona hatreo anefa, fa nanohy ny fikarohana ity jiolahy ity hatrany ny polisy. Nody ventiny izany adiny iray taty aoriana. Tamin’ny 11 ora alina teo ho eo dia voasambotra teo Mangarano ity jiolahy tafatsoaka ity sy ny tovolahy iray mpiray tsikombakomba tamin’izao asa ratsy izao ihany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo fa efa mpiambina tao amin’ity tranombarotra ity ny iray tamin’izy ireo saingy efa voaroaka ny 15 may 2020. Samy niaiky ny heloka nataony avokoa izy ireo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici