Lasa miteraka tahotra ho an’ny mponina manodidina an’i Mangarano ankehitriny ny mandeha irery sy mandeha harivariva ary ny mivoaka alina, noho ny fahitan’izy ireo ny fatin’ity vehivavy iray tamin’ny lalana Mangarano mihazo ny lapan’ny prefektiora iny ny talata maraina teo. Raha ny fahitan’ny mpitsabo nizaha ny razana dia tsy misy ifandraisana amin’ny pesta ny nahafaty ity vehivavy tokony ho 40 taona ity, satria niiba avokoa ny fitiliana natao taminy. Ny hitan’ny mpitandro ny filaminana tonga nijery ny fatiny kosa dia nifatotra tamin’ny lamba ny tongony sy ny tanany ary tena hatsatra be ny lokon’ny vatany. Raha ny fahitana azy, hoy ny mpitsabo sy ireo mpitandro ny filaminana, dia novonoina ity vehivavy ity, saingy ny miteraka tahotra ho an’ny olona nahita azy dia nahitana ny vatany lasa fotsy toy ireny tsy ampy ra ireny. Ankilan’izany, araka ny fanazavan’ireo mponina manodidina, dia vao maraina be dia naheno ny sasany ary nahita ny hafa, fa nisy fiara tsy mataho-dalana nandeha mafy sy nijanona tampoka tonga teo amin’ity toerana nahitana ny fatin’ity vehivavy izy ireo. Fotoana fohy taorian’izay dia nirifatra indray ilay fiara tsy mataho-dalana, nefa tsy nisy nahavita naka ny laharan’ilay fiara izy satria tsy nampoizin’izy ireo ho nanipy fatin’olona teo amoron-dalana ilay fiara. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ankehitriny, napetraka eo anivon’ny tranom-patin’ny hopitalibe miandry ny havany koa ilay fatin’ity vehivavy ity, izay mbola tsy nisy naka aloha hatramin’ny fotoana nandefasana ny vaovao.
Malala Didier