- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano Toamasina : Nananganan’ny mponina sorabaventy ny filoham-pokontany vao notendrena

Mangarano Toamasina : Nananganan’ny mponina sorabaventy ny filoham-pokontany vao notendrena

Ny alarobia teo, dia nihetsika nitondra sorabaventy ireo vahoaka tao amin’ny fokontany Mangarano I P/elle 11/46, raha nahita ny filoham-pokontaniny vaovao napetraky ny prefektiora taorian’ny nahafaty ny filoham-pokontany teo aloha. Tsy eken’ny vahoaka ny fanendrena an’Atoa Lamas ho filoham-pokontany ao amin’izy ireo noho ity farany izay tsy mponina ao amin’ny fokontany akory, hoy ireo vahoaka, fa mponina ao amin’ny fokontany mifanila amin’izy ireo P/elle 11/43. Nohamafisin’ny vahoaka izany tamin’ny filazana, fa tsy misoratra amin’ny bokim-pokontan’izy ireo Atoa Lamas, sy tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fokontaniny misy azy ireo ihany koa, ary tsy manana karinem-pokontany ao amin’ny P/elle 11/46. “Tsy ekenay ny voahangy latsaka ohatra izao, hoy ny mponina, fa mba manana ny olonay izahay mahavita ny asa izay navelan’ny filohanay efa nodimandry teo aloha. Ataovy ny fifidianana filoham-pokontany voalazan’ny lalàna fa izahay vahoaka no mahay izay filoham-pokontany mety aminay”, hoy ireo mponina tamin’ny alàlan’ny solontenany. Misy noho izany ny fanangonan-tsonia nataon’ny mponina amin’ny tsy fanekena ity filoham-pokontany vao avy notendren’ny prefen’i Toamasina ity, halefa isan’ambaratongany izany Sonia voaangona izany, aorian’izao hoy hatrany ireto vahoaka. Hatreto aloha tsy mbola nahitan-teny ilay filoham-pokontany tsy eken’ny mponina ho filohany ity, nefa olona ao anatin’ny birao politikan’ ny antokom-panjakana eto Toamasina ny tenany izao toherin’ny vahoaka ao amin’ny fokontany Mangarano I P/elle 11/46 izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici