Fitaintainan-dava ny an’ireo mponina mampiasa ny lalam-baovao “plaque relax” mihazo ny fokontany Mangarano I sy Mangarano II ankehitriny, satria lasa faritra mena amin’ny fanendahana indrindra ireo mpitaingina môtô iny lalam-baovao iny, ary tsy mifidy asiana sy ora anaovana izany ireo andian-jiolahy miaraka 05 na 07 mitondra antsy sy sabatra manao izany; ka ny tena hitrangan’izany matetika hoy ireo efa tratrany sy ireo mponina manodidina dia ny eo anelanelan’ny sekoly “les Prospères” sy ny trano fandraisam-bahiny Alia. Ny zoma 13 aprily teo tokony tamin’ny 08ora alina izao dia telo mianaka mba nivoaka kely noho ny faran’ny herinandro no voaendaka môtô tamin’ity toerana mena amin’ny lalam-baovaon’i Mangarano ity. Niezaka ny namely amin’ny fiarovana ny vady aman-janany ihany ilay raim-pianakaviana, saingy be noho ny vitsy satria jiolahy 07 nitondra antsy no nifanehitra taminy; voafira antsy teo amin’ny sandriny izy saingy namantana tany amin-janany koa izany ka nahavoa ny mason’ity zazalahy kely ity. Niezaka ny nitsoaka izy telo mianaka taorian’izay no niantso vonjy saingy tsy nisy nanampy, ka lasan’ireto andian-jiolahy ireto ny môtô nentin’izy ireo. Avy hatrany dia nentin’izy ireo tamin’ny mpitsabo ity zazalahy kely naratra tamin’ny masony ity ny alin’ny zoma ihany, ka mbola ao anatin’ny fitsaboana izy ireo izay tsy ho fantatra na hisy fiantraikany amin’ny mason’ity zazalahy ity ilay masony voan’ny antsin’ireto mpanendaka ireto. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana noho izany ny mponina mpampiasa ity lalam-baovao ity sy ireo mponina manodidina rehetra fa tena mandry an-driran’antsy izy ireo noho ireo andian-jiolahy mpanendaka ireto.
Malala Didier