- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano Toamasina : Tratra ambodiomby i Lejao jiolahy raindahany

Mangarano Toamasina : Tratra ambodiomby i Lejao jiolahy raindahany

Amin’izao ankatoky ny krismasy sy ny famaranana ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao izao, dia manao ezaka avokoa ireo mpitandro ny filaminana eto Toamasina mametraka ny filaminam-bahoaka, hahafahan’ny vahoaka eto Toamasina miatrika am-pitoniana ny fety. Ho an’ny eo anivon’ny polisim-pirenena, dia isan’ny miezaka mafy amin’izany ny eo anivon’ny polisin’ ny hery vonjy taitra. Nisy ny vokatra azon’izy ireo vokatry ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany sy amin’ireo faritra voasokajy ho mena amin’ny tsy filaminana eto Toamasina. Izany no nahazoan’izy ireo ambodiomby an’ingahy Rajaomahery Cessima na Rajao, mpanendaka sy mpamaky trano tena ikoizan’ny fokonolona sy ny vahoaka mampiasa ny làlana St Paul sy Mangarano ary Cité Haras iny. Tao an-tranony, Mangarano II P/elle 11/46 tsy nanampo na inona na inona iny ny tenany no tonga naka azy ny polisin’ny hery vonjy taitra eto Toamasina. Tratra tao an-tranony nandritra izany ny basy vita gasy fampiasany amin’ny fikambanan-jiolahy fanaony, teo koa ny  balan-kalaky maromaro, ireo fitaovana samihafa fentina mamaky trano sy mandrava olona amin’ny fanendahana fanaon’i Lejao ihany koa, ary kara-panondrom-pirenena maromaro. Raha ny fanazavana azo, dia vao ny alatsinainy teo i Lejao no efa nanendaka olona nody alina teo amin’ny làlana fiangonana St Paul iny, sady very moto ity olona voaendaka ity no mbola voadaroka ihany koa ary efa nametraka fitoriana mikasika ny nanjo azy teo anivon’ny polisim-pirenena Toamasina. Faly tamin’izao nahasamborana an’i Lejao izao ny vahoaka ao Mangarano II, saingy milaza ny polisy fa mitohy hatrany ny asa fitandroany ny filaminam-bahoaka hoy hatrany ny polisy misahana ny hery vonjy taitra eto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici